Dépêches

COMESA: Ny Filoha Egyptiana Abdel Fattah Al-Sissi indray no handray ny fitantanana

22 Novambra, 10h00. Tanterahina any Le Caire Egypta ny Fivoriana an-tampony faha-21 an’ireo Filoham-pirenena sy filoham-panjakana mikambana ao anatin’ny Vondrom-pifanakalozana ara-barotra COMESA (The Common Market for Eastern and Southern Africa). Hanamarika ity fivoriam-ben’ny COMESA, izay hatao ny 23 novambra, ity ny hanatanterahana ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny Filoha Andry Rajoelina, mitarika ny delegasiaona Malagasy any an-toerana, izay filoha amperinasan’ny Fivorian’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ao anatin’ny COMESA, sy ny Filoha Egyptiana Abdel Fattah Al-Sissi, izay handimby azy.

Laisser un commentaire