Argentine : Olona nitondra SIDA sitrana tsy nanaraka fitsaboana
Olona faharoa teo amin’ny tantaran’ny fitondrana tsimok’aretina VIH ity olona sitrany voajanaharin’ny aretina ity. Ny 15 novambra teo no namarinin’ny kaomity siantifika tao an-toerana fa tena tsy nitondra io aretina io intsoiny ity vehivavy iray ity.Efa tamin’ny 2013 izy no nitondra ny tsimok’aretina raha ny fanazavana ary tsy nanaraka fitsaboana mihitsy raha tsy tamin’izy nitondra vohoka ny taona 2017 mba nampienana ny tahan’ny fifindran’izany tamin’ny zazakely. Narahin’ireo siantifika maso izy hitan’izy ireo vao aingana teo fa tsy mitondra ny tsimok’aretina intsony izy amin’izao fotoana. Manaporofo izany hoy ireo manam-pahaizana fa mety sitran’io aretina io ny vatan’ny olombelona.
