Faritra Amoron’i Mania : Miroso miandalana ny fanamboaran-dalana
Amin’ity herin’andro ity no fantatra fa hanomboka ny tetik’asa ny fanamboaran-dalana izay mihazo ny faritra Amoron’i Mania. Ireo toerana saro-dalana rehetra amin’ny lalam-pirenena fahafito no voakasik’izany fanatsarana izany, ka anisan’izany ny mihazo ny Talavina Ambohimanjaka, Ilaka ary ny lalana mizotra ny Camp Robin. Fiaraha-miasa teo amin’ny Governoran’ny faritra Amoron’i Mania, Mamiarisoa Radaloson sy ny Minisitean’ny asa vaventy ny nahafahana niroso tamin’ny asa.
Tsihahivina fa anisan’ireo faritra nitondra takaitra amin’ny fisian’ny lalan-dratsy ny lalam-pirenena fahafito, tsy mahagaga noho izany raha toa ka maro sy nifanesy ireo lozam-pifamoivoizana. Adidin’ny mpampiasa lalana ny mikolo sy manaja izany, saingy tsy ekena ny fifanilihana andraikitra. « Inoana fa hanafa-pahasahiranana ny mponina ety amin’ny manodidina ny fanamboarana ity lalana ity, ankasitrahana ihany koa ny Filoham-pirenena tsy nanadino ny faritra » hoy i Tefy, mponina ao Ilaka. Izay hevitra hampisy ny orana no laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao, indrindra ny aty amin’ny faritr’i Fianarantsoa.
« Tsy azo hantenaina hampihena ny saran’ny fitanterana akory ny mety ho fahavitan’io lalana io » hoy Alvine, mpianatra avy ao Ambositra. « Misedra olana amin’ny famoaham-bokatra ireo tantsaha vokatrin’ny lalana ratsy, antenaina fa hivaha izany rehefa tontosa soa aman-tsara ity tetik’asa fanamboaran-dalana ity » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tsy azao hodian-tsy hita ireo ireo ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahina ny vina napetrany manoloana ny fampandrosoana isam-paritra. Tsapa noho izany fa tsy misy intsony ireo faritra diso anjara amin’ny fampandrosoana.
Azo antenaina ny mbola hiarenan’i Madagasikara indray raha samy mandray ny andraikitra tandrify azy avokoa ny rehetra, miainga avy any amin’ny mpitondra fanjakana ka hatrany amin’ny vahoaka madinika. Manankery amin’ny sehetra rehetra ho an’ny fampandrosoana ny firenena noho izany ny « tagnamaro ».
Haingotiana Andriamihaja
