ActualitésTsidika

Minisiteran’ny fiarovam-pirenena : Nanomboka ny iray volan’ny famotsoran-keloka

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny iray volan’ny famotsoran-keloka amin’ny fitazomana basy tsy ara-dàlana. Tanjona amin’izany ny hamongorana ireo basy rehetra tsy ara-dalana aty Afrika izay ezahina ny ho tratra ny taona 2030. Marihina fa fanehoan-kevitra avy amin’ny firaisan’ny firenena mikambana no nahafahana niroso tamin’izany. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny teo amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ireo solotena maro avy amin’ny fikambanambe Afrikanina.

Anisan’ireo antony mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalana tato ho ato. Tsy nitazam-potsiny izany ireo mpitandro filaminana, nisy ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana izay fiaraha-miasa nisy teo aminy sy ireo vahoaka. Nahazahoam-bokatra tsara hatrany izany fiaraha-mientana izany, maro ireo tambazotran-jiolahy nitazona basy tsy ara-dalana no rava. « Fotoana izao hanavaozana ny taratasy fitazomana fitaovam-piadiana sy hirosoana amin’ny ara-dàlana, antoka ho an’ny filaminan’ny ankohonana sy ny mpiray monina izany » hoy i Tsiky, renim-pianakaviana nanao ny taratasy fahazoan-dalana mitazona basy. « Ny basy vita gasy hiarovan’ny fokonolona ny ainy sy ny fananany raofinareo mba tsy hahafahany manohitra ny fanafihan-dahalo. Ny basin’ny dahalo etsy andaniny tsy azonareo. Inona no tena tiana hahatongavana ? » hoy i Fano, mponina avy any Ihorombe.

« Natao hiaro amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fitazomana sy ny fananana fitaovam-piadiana fa tsy natao velivey hampiharana herisetra. Misy sokajin’olona tsy tokony hitazona azy ireny, indrindra ireo olona manana fikorontanana ara-tsaina, izany hoe dingana maro no arahina mialohan’ny hanomezana halalana » hoy i Dr Faniry, mpitsabo saina. « Tsara ny manamarika fa tsy misy ny sazy na arakaraka atao amin’ireo olona izay miroso amin’ny fampanarahan-dàlana ny fitazomana basy mandritra ity iray volan’ny famotsoran-keloka ity » hoy ny teo amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Anisan’ireo marika hamaritana ny tanjakin’ny firenena iray ny fananany sy ny famokarany fitaovam-piadiana. Manjaka tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana vokatry ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana, fahatrana sy fitotonganan’ny toe-karena anefa ny vokatra azo avy amin’izany.

Tsy afaka miaraka ny fampandrosoana sy ny tsy fandriam-pahalemana, noho izany indrindra no nahatonga ny Filoham-pirenena nametraka ny fandriam-pahalemana ho laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana. Antoka amin’ny ady manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ve ny famongorana ireo basy tsy ara-dàlana ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire