ActualitésTatitra

Nigéria : Vehivavy iray lasa mpanefoefo noho ny fanodinana mangahazo

Voafetra eo amin’ny famokarana « semoule » sy lafarinina matetika ny famakoran’ny indostria manodina mangahazo aty Afrique. Mba hampivelarany ny sehatra dia nanapa-kevitra ny hanitatra ny fanodinana mangahazo amin’ny zavatra hafa i Yemisi Iranloye ka nanangana ny Psaltry International Limited izy.Orinasa manodina mangahazo ho lasa « amidon », lafarina ary « sorbitol » na siramamy tsy misy alikola ny Psaltry International Limited. Mila maina aloha ny manhagazo fa mahatafavoaka io vokatra « sorbitol » io raha ny fanazavan’i Yemisi Iranloye. Efa niasa 10 taona tamin’ny vokatra io izy hoy izy ka hitany avokoa ny sehatra afahana mitrandraka azy.Anisan’ny vokatra maro mpanjifa indrindra ao amin’ny Afrique atsimon’i Sahara ny mangahazo saingy ireo sehatra lehibe no tena liana amin’ny vokatra vokariny. Efa mpamatsy vokatra any amin’ny orinasa lehibe Nestlé sy Unilever izy ary mahazo 12 tapitrisa dolara amin’io fanodinana ataony io ankehitriny raha tany amin’ny toeram-pambolena ambanivohitra sy mpiara-miasa enina no niandohany.

Laisser un commentaire