SocialTsidika

PPN : Tokony ho 2 000 Ar ny kilaon’ny vary

Nahitana fiakarana ny vidim-bary nanomboka ny taona 2020 hiditra 2021, nanomboka tamin’ny nisian’ny aretina covid-19. Efa tafiakatra hatramin’ny 2 800 hatramin’ny 3 000 Ariary ny kilao tamin’izany. Tsy ny vary ihany anefa fa ny menaka, ny siramamy, ny lafarinina ihany koa nisondrotra avokoa.

Niha-nidina tsikelikely izany ankehitriny ary 2 500 Ariary ny ambony indrindra raha toa ka 2 200 Ariary na 2 300 Ariary eo ny ambany indrindra. Izany hoe tsy misy latsaky ny 2000 ariary izany. « Ny vary gasy no lafo kokoa raha oharina amin’ny vary tsipala sy ny makaolika arakaraky ny kalitaon’ny vokatra », hoy i Santatra, mpivarotra.

Vokatry ny fitarainan’ny olona amin’ny fiakaran’io vidim-bary io, nandray fepetra ny tao amin’ny ministeran’ny varotra sy ny fanjifana amin’ny fampidinana izany. « Misy ny fanaraha-maso ataon’ny ministeran’ny varotra, izay manaraka tsy tapaka ny vidin’entana ilaina andavan’andro », hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity ministera ity. Hojerena akaiky avokoa ny tsena rehetra toy ny eny Besarety, Andravoahangy, Anosibe, Analakely, Ambohipo, Ambohijatovo, Ankadifotsy, Mahazo, Soamanatombo, Namontana, Ampasampito, Ankadindramamy, Ambohitrakely, Fenoarivo, Ankazomanga. Atao tsikelikely ny fizahana ity vidim-bary eny amin’ny tsena ity. Ho arahi-maso ihany koa ny momba ny fivarotana sy ny faktiora rehetra hanamarihana raha manara-dalàna ny taratasim-panjakana ananan’ny mpivarotra tsirairay. Raha raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny ministera hatrany, mila hajaina ho 2 000 ariary ny vidiny ara-drariny eny amin’ny toerana tsirairay. Tsy ny vary ihany fa na ny menaka na ny siramamy sy lafarinina ihany koa dia hampidinina ny vidiny.

Hatreto anefa, tsy ahitana vokany be izany, ary mbola mitaraina hatrany ny ankamaroan’ny vahoaka. « Mbola 2 800 Ariary ny kilaon’ny vary aty aminay, ny siramamy 3 800 Ariary », hoy i Céléstine, renim-pianakaviana iray.

Raha zohina, efa manao ezaka ny ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana amin’ny fampihenana ny vidin’ny filana andavan’andron’ny mponina kanefa mbola misy toerana tsy misitraka izany. Misy ihany koa ny tsena manararaotra ka mampitombo ny vidin’ny entana ao aminy kanefa tsy hitan’ny tompon’andraikitra akory izany. Izany indrindra no mbola mampitaraina ny vahoaka, tafiakatra ambony loatra ny vidim-piainana kanefa maro amin’izy ireo no tsy manana antom-pivelomana azo hianteherana.

Andy Rafidimanana

Laisser un commentaire