Vaky bantsilana : Manempotra ny mpandalo ny fofona tatatra any Andrononbe
Efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika amin’izoa fotoana izao, isan’ny mampimenomenona ny mponina ao Andrononobe ny fofona avoakan’ny tatatra indrindra ho an’ireo izay tena mpandeha eo amin’ny « garage Ramamy ».
Lalankely tsy maintsy lalovan’ny mpianatra sy ny mpiasa ary mponina eny ifotony isan’andro anefa ity mamoaka fofona tsy zaka ity ka tokony hisy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra any an-toerana. « Eo ihany ny tetik’asa lalankely ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy fa mbola tsy ao anatiny mihitsy ity lalana manamorona ny tatatra maimbo sy tsy zaka ity kanefa tokony ho tafiditra ao mihitsy fa tena tsy zaka » hoy i Nomena, mponina eo Andrononobe.
« Misy olona tsy menatra mihitsy manary ny malotony amin’ny pô eto amin’ity tatatra ka na vao maraina iny aza dia miakatra ny fofona ka tokony jeren’ny Fokontany mihitsy ny toy izao » hoy i Ranoely, raim-pianakaviana, mpandalo matetika amin’ity lalana ity. « Ny mponina sasany efa voretra tsy mba nahazo fanabeazana mikasika ny maaha zava-dehibe ny fahadiovana eo amin’ny tontolo iainana, ny mpitondra eny ifotony ihany koa tsy mba mandray andraikitra mihitsy fa mihainohaino fotsiny aminin’izao » hoy i Faniry, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Miantoka indrindra ny fampandrosoana ny firenena tokoa ny fahadiovana, matetika anefa izay eo ambany mason’ny mpitondra ihany no hitany ka tsy voahaja mihitsy ny fahadioavana. Raha tsy madio ny tanàna ahoana ny fomba handrosoana ?
Nicole Rafalimananjara
