ActualitésTsidika

Asa vaventy : Miato ny fandoavam-bola

Tsy dia voaresaka firy tamin’ny haino aman-jery sy ny gazety kanefa vaovao heverina lehibe eto amin’ny firenena ny naoty navaokan’ny ministeran’ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany, ny 25 oktobra lasa teo. Nanomboka tamin’io daty io mantsy dia miato daholo ny fandoavam-bola ireo asa rehetra manerana ny Nosy izay avy amin’ny Tahiry fikojakojana ny lalana na ny Fonds routiers. Ny minisitry ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany mihitsy moa no fantatra fa nanome ny baiko izay nankatoavin’ny sekretera mpanatanteraky ny Fonds routiers.

Miato daholo noho izany ny asa rehetra ataon’ireo orinasa voakasika amin’izany, ary tsy ny am-perinasa ihany fa hatramin’ireo tetikasa efa vita fifanarahana fa tsy mbola natomboka. Eny fa hatramin’ny tsenam-panjakana (marché publique) rehetra mahakasika izany aza dia miato avokoa araka ity naoty navaokan’ny ministera ity. Tsara marihana fa tsy voalaza mazava aloha hatreto ny tena anton’io fanapahan-kevitra io satria tsy voalaza ao anatin’ilay naoty.

Misy anefa ny fitarainana eo amin’ny resaka lalana makany Toamasina iny, izay tena mampiaiky ny mpitatitra entana tanteraka :

« Miitatra hatrany ny faharatsian-dalana RN2 Antananarivo-Toamasina, saika ireo mpitatitra entana no milaza izany. Misy fiantraikany amin’ny fiaran’izy ireo io antony io, izay midika fa mitombo ihany koa ny lany amin’ny fikojakokana azy isaky ny tonga any Toamasina na eto Antananarivo, na mety miteraka lozam-pifamoivoizana. Ny saran-dalana anefa, tsy miova, ary tsy afaka hasondrotra amin’izay fotoana tiana hanaovana azy. Niantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny asa vaventy ny loholona avy any Toamasina, i Manasoa Donat Tang, noho io faharatsian-dalana RN2 io, tena misongadina tanteraka manko izany faharatsian-dalana zany eo anelanelan’i Toamsasina sy Antsampanana. Raha teo aloha izany dia vita ora roa, fa amin’izao fotoana izao, dia adin’ny dimy ny hanaovana azy amin’ny fiara 4*4 » hoy i Zaka, mpamily fiara fitaterambahoaka. « Hita amin’izao olana izao ny tsy fisian’ny asa mirindra ao amin’ny ATT na Agence des Transports Terrestres sy ny ministera miandraikitra ny asa vaventy. Ny fantatra aloha, matetika, iandrasana famatsiam-bola avy any ivelany ny asa vaventy eto an-toerana, indrindra ny lalam-pirenena » hoy izy.

Ao anatin’ny firafitry ny Governemanta ankehitriny dia nankinina tamin’i Hajo Andrianainarivelo ny Departemanta miandraikitra ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy. Ny fampitambarana ireo rafitra roa ireo dia natao mba hiantohana ny fahavitan’ny tetikasa lehibe andrasana amin’ny Governemanta amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy fampitaovana. Izany dia manaporofo ny halehiben’ny iraka ampanaovina ny Minisitera izay tarihiny ankehitriny. Na izany aza, ny iraka toy izany dia mitaky ezaka tsy tapaka, asa tsy miato ary finiavana mafy handroso :  fanovàna amin’ny alàlan’ny asa izao no tanjona.

 Ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy (MATP) dia mitoetra ho andry lehibe eo amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe an-dalam-panatanterahana izay tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), ny programan’asa ary ny drafi-panatanterahana ho an’ny fampandrosoana mirindra eto amin’ny faritry ny firenena.

Miankina amin’ny ministera ny zava-drehetra, ny hirariana dia ny mba hisian’ny vahaolana mba hahafahana miroso hatrany.

Midika ve izany fa tsy manam-bola intsony ny ministera handoavana ny volan’ireo orinasa rehetra voakasika sa inona no tena antony ?

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire