SocialTsidika

Antoine de Saint-Exupéry : Ampajakao eo amin’ny fiainanao ny fanirianao

Samy manam-paniriana avokoa ny olombelona tsirairay avy noho izy efa voajanahary ao anatiny. Amin’ny alalan’ny saina mantsy no ahafahana manofinofy. Fahombiazana anefa no ho azo raha toa ka tanterahinao amin’ny alalan’ny asa izay atao indray ny fanirianao. Tsy ianao irery no afaka hisitraka ny fanirianao rehefa tanteraka fa ny manodidina anao ihany koa mety hahazo tombony amin’izany.Maro ny olona no mijanona eo amin’ny resaka faniriana sy hetaheta fotsiny fa tsy manatanteraka izany. Efa dingana iray lehibe anefa izany fanananao nofinofy izany ka tsy tokony hijanona eon fotsiny ianao fa handroso hatrany. Aza avela hanjakan’ny fiainana ny nofinofinao ka tano mafy ary tanteraho. Aoka ny nofinofinao no hanjaka eo amin’ny fiainanao. Ary izy mihitsy no handray an-tanana ny fiainanao manontolo ka hitarika anao ho any amin’ny fahombiazana. Tokony tsy hijanona eo amin’ny faniriana fotsiny ihany noho izany ny tsirairay fa mila manatanteraka ihany koa. Tsy faniriana mantsy ny faniriana raha tsy tanteraka. »Nanofinofy aho mba ho lasa mpitantana orinasa iray matanjaka eto amin’ny Nosy. Notanterahiko izany ka manjaka eto amin’ny fiainako ilay nofinofiko ankehitriny » hoy i Tolotra, mpandraharaha.  » Hijanona ao aminao foana ny fanirianao fa tsy ho levon’ny fiainana izany. Miandry fotoana fotsiny ny zava-drehetra » hoy kosa i Jean Paul, raim-pianakaviana efa nisehatra teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.Manambara mazava anefa i Antoine de Saint-Exupéry ao anatin’ity hafatra ity hoe « ataovy izay hahatonga ny nofy handevona ny fiainanao … sao ho lanin’ny fiainana ny nofinao ». Ampanjakao eo amin’ny fiainana ny nofy mba ho tanteraka ka izy no hitondra ny fiainanao.Tokony tsy hipetrapetra-potsiny ny tsirairay fa vao vantan’ny manana nofinofy dia mitsangana malaky hanatanteraka izany. Kanefa, fantaro tsara izay mety ho nofinofinao mba tsy ho sarotra aminao ny hanatanteraka izany.

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire