ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Nanome toky ny fanatsaharana ny fandripahana ala ireo mpitondra

Mpitondra firenena an-jatony no nanatrika ny COP26, nanome toky izy ireo ny alatsinainy teo fa hanatsahatra ny fandripahana ala hatramin’ny taona 2030 izao. Nampanantena ny famerenana ny ala sy ny fanatsaharana ny famotehana tany ihany koa izy ireo hatramin’io daty io. 19,2 miliara dollars no tetibola entina hanatanterahina io tetikasa io, avy amin’ny volam-panjakana sy vola tsy miankina ny famatsiana raha ny fanazavana.Velaran-tanin’ala 13 tapitrisa kilometatra toradroa kosa no tapak’ireo mpitondra nandritra ny fivoriana COP26 hanatanterahina ny tetikasa raha ny fanazavan’ny praiministra avy ao Grande-Bretagne Boris Johnson. Dingana lehibe amin’ny fanatratrarana ny tanjona iombonana amin’ny famerana ny fiakaran’ny hafanan’ny tany +1,5 °C izany hoy izy hatrany.

Laisser un commentaire