Tratra ny mpitarika ireo jiolahy any Mahajanga
03 Novambra, 09h00. Voasambotry ny Polisy ny lehilahy antsoina hoe Rambola, mpitarika ny tambazotran-jiolahy atao hoe B13 ao Mahajanga. Jiolahy rain-dahiny ao amin’ny fokontany Antanimalandy sy ny manodidina izy ity. Mpivaro-kena iray no lasibatr’izy sy ny namany ka lasa tamin’izany ny vola 400.000 ariary sy hena 6kg, ny faran’ny herinandro teo. Enin-dahy mpamaky trano no sady mpamerin-keloka ihany koa no tra-tehaka tao Antanimalandy ka sarona niaraka tamin’izy ireo ny entana halatra vitsivitsy
