SocialTsidika

Morarano idilana Talata Volonondry : Toerana iray tsy dia be mpahalala

Manana ny soa toavina sy maha izy azy izy. Tsy lavitra ny renivohitra fa ato anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano ihany, dia tsy iza izany fa Morarano Idilana, tanàna iray ao anatin’ireo fokontany miisa 28 ao amin’ny kaominina Talata Volonondry izy, 30km raha miala ao andrenivohitra, ary 7km kosa raha ato Talata Volonondry.

Miisa eo ho eo amin’ny 550 eo ny mponina ; 110 eo ho eo kosa ny tafo. Voahodidina fokontany maro io tanàna io. Ny 95% amin’ireo mponina dia Mpamboly avokoa.

Amin’ny maha ambanivohitra azy dia mbola ahitana ireny trano misy tafo bozaka sy vita amin’ny biriky taloha be ireny izy. Rehefa mandalo tanàna misy olona koa ianao dia mbola miarahaba ny olona na tsy mahafantatra anao aza. Toerana mbola voahodidina natiora, ary ahitàna tendrombohitra manodidina maro. Raha i Talata volonondry mantsy no eritreretina dia tahaka ny hoe tanàna toy ny any andrenivohitra ihany, fa misy ihany koa anefa ny toerana mbola manao fiainan’ambanivohitra kely sy ahitàna rivotra madio.

« Misy toerana mizara roa ao an-tanàna. Toy izany izao Ambodiriana, izay nizara ho ambony sy ambany. Ao amin’io toerana io koa dia ahitàna rano madio mandeha sy voahodidin’ny vatolampy maromaro. Noho ny fisian’ireo rano ireo koa no anhatonga ilay hoe « Morarano ». Ny tata-drano rehetra dia afaka manenika ny tanàna avokoa, izany hoe tsy orin-drano ny mponina ka natao hoe « Morarano » ny anaran’ny tanàna. Idilana indray kosa dia vohitra tery avaratra tery fa noho ny fisian’ny aretina pesta tamin’izany dia niampita tery amin’ny lohasaha ny olona ka nidilana teo ampita teo, izany hoe teo Morarano » hoy ny fanazavan’ny sefo fokontany.

Misy hazo iray izay antsoina hoe « Nonoky »ao. Hazo vazimba izy ireo, ary tsy azo atao tsinontsinona koa. Io hazo io dia tsy tafiditra tamin’ny hazo fanisàna tamin’ny andron’ny mpanjaka amin’ny maha hazom-bazimba azy, na anaran-tanàna aza dia iray ihany ny tanàna mitondra ny anaran’io hazo io raha ety Avradrano.

Misy tamboho ben’ny Ntaolo maro ao an-toerana. Avo dia avo sady lehibe izy ireny. Amin’ny maha tanànan’andriana no tena antony nanaovana azy ireny. Ny tany avy nohadiana teny amin’ny hadivory no nanaovana azy ireny, ary tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka no tena nilaina azy. Anisan’ny fiarovan-tenan’ny mpanjaka ihany koa mantsy izy ireny raha sanatria misy manafika toy ny hoe « Abyrath » izany.

Mamboly vary, legioma sy hanin-kotrana maro. Ireo no tena foto-piveloman’ny olona ao an-toerana. Miompy biby toy ny kisoa sy ny omby ary akoho amam-borona koa izy ireo. Mampiasa angovo azo havaozina ny mponina ao an-toerana, fa efa manao ny ezaka koa anefa ny hampidirana ny jiron’ny Jirama.

Raha hijery na hitsidika ireny tanàna mbola anaty natiora ireny dia isan’izany ity Morarano idilana ity. Tsy lavitra ny renivohitra fa akaiky ihany, ary toerana misy olona tia mandray olona sy mifandray amin’ny olona koa ny mponina ao an-toerana. Liana zava-baovao ny mponina ary ny fahafinaretan’izy ireo dia ny fisian’ny olona manao tetik’asa ao an-tanàna, indrindra fa hoe misy afaka hanomezana anjara azy ireo.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire