ActualitésTatitra

Alaska : Lehilahy notafihan’ny « ours brun »

Lehilahy mpitaingina bisikileta iray no notafihana « ours brun » tao Cantwell ny herinandro lasa teo. Sendra nanaraka ny renirano izy no nisy « ours » nirefy 3 metatra, nilanja 220 kg mahery nanantona azy ary nanaikitra azy teo amin’ny tongony izy alohan’ny nitsoahany tao anaty kirihitr’ala. Namany no namonjy azy ary nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana.Nanazava tamin’ireo mpitandro ny filaminana izy avy eo fa nirongo basy tamin’io fotoana io saingy tsy te hamono io biby io. Ilay bisikileta kosa no nisarika ny « ours » hoy i Joelle Helper tompon’andraikitry ny departemantam-panjakana ny jono sy ny haza.

Laisser un commentaire