SocialTatitra

Russie : Zazavavy kely tsy niala teo amin’ny reniny efa matin’ny hatsiaka

Hanao « randonnée » tao amin’ny ala akaikin’ny tanànan’ny Gus-Khrustalny no nialan’i Olga, renim-pianakaviana 36 taona sy ny zanany Polina, 10 taona tao an-tranony. Very tao an’ala nefa izy ireo raha ny fanazavan’ny fianakaviany izay nampandre ny manam-pahefana. Olona mpilatsa an-tsitrapo 80, alika mpitsongo dia, « drone » ary angidimby maro no nampiasaina tamin’ny fikarohan’izy mianaka.Hita 8 km ny toerana nahitana azy farany izy mianaka no hita saingy efa matin’ny hatsiaka ilay renim-pianakaviana. Tsy niala teo amin’io vata-mangatsiakan’ny reniny io kosa i Polina ary nanazava ireo mpamonjy voina fa raha tar any fahitana azy dia matin’ny hatsiaka ihany koa izy.

Laisser un commentaire