Espagne : Tsy mpilalao baolina kitra fotsiny i Gerard Piqué
Anisan’ireo mpilalao baolina kitra tena andrarezina i Gerard Piqué. Teraka ny 2 febroary 1987 tao Barcelone ny tenany. Mpandraharaha ihany koa izy ankoatra ny maha mpilalao baolina kitra azy. Nampiasain’i Gerard Piqué tamin’ny orinasa maro ny vola azony nandritra ny fotoam-piasana nanangana orinasa maro ihany koa ny tenany. Anisan’izany ny Kosmos niarahany niasa tamin’ny talen’ny Rakuten, Hiroshi Mikitani sy ny Kerad Games orinasa mpamorona « jeux » nahoriny tamin’ny taona 2012. Mpitantana ny SICAV (sociétés d’investissement à capital variable) ihany koa ny tenany.
