ActualitésTatitra

Québec : Mpandihy lasa mpandraharaha i Daniel Dory

Mpandihy niaraka tamin’ny mpanakanto malaza toy ry Ricky Martin, Cher, Lady Gaga sy ry Rihanna i Daniel Dory, teratany Québécois. Folo taona no nipetrahana tao Los Angeles ary nanaraka mpihira nanao « tournée » no tena anton’asany tamin’ny taona 2019.Nanantena ny nahazo ny karatra maha mponina maharitra tao Etats-Unis (Green Card) izy ny taona 2020, saingy tafiditra tao an-toerana ny valan’aretina. Nanomboka nisy ny fihiboana, ary tsy nisy hetsika azo notanterahina intsony tamin’izany ka nitady fidiram-bola i Daniel Dory.Teo no nanomboka ny asa fandraharahany. Nanokatra orinasa niaraka tamin’ny olon-tiany Olivier Croft izy. Ny volana jolay 2020 teo no nosokafan’izy ireo io orinasa antsoina hoe Dory & Croft io, izay mpamokatra arovava ho an’ny olo-malaza.Hifandrombahan’ireo olo-malaza io vokatra io raha ny fanazavana, ary ritra avokoa izay vokatra mivoaka rehetra (rupture de stock). « Nanao fanatanjahantena be aho ka sahirana niaina rehefa manao izany miaraka amin’ireo aro vava, ka teo no nitsirihan’ny hevitra » hoy izy. Anisan’ny tena manjifa ny vokatra, hoy izy, i Cher, Ricky Martin, Kenny Ortega, Lisa Rinna ary Erika Jayne.

Laisser un commentaire