Royaume-Uni : Sarontsaronana amin’ny sary ny tsy fahampian’ny voankazo sy legioma
Efa hatramin’ny volana septambra no niharan’ny tsy fahampiana ara-tsakafo lehibe i Royaume-Uni. Foana avokoa ny ankahamaroan’ireo voankazo sy legioma ao amin’ireo tranombarotra lehibe. Mba hanafenana ny fahabangana dia nosaronan’ireo tranombarotra toy ny Tesco sy Sainsbury’s sarina legioma sy voankazo ireo fitoerany.Niparitaka tao amin’ny tambajotra serasera ny sary nalain’ireo mpanjifa tao amin’ny tranombarotra ary nanomboka namoaka ihany koa ny sasany fa « chocolat » ny azy ireo no napetraky ny tranombarotra falehany tao amin’ny fitoerana legioma sy voankazo.Ny tsy fahampian’ny mpiasa ao amin’ireo mpamily fiara vaventy (poids lourds) noho ny covid-19 sy ny Brexit no mahatonga io tsy fahampiana io raha ny fanazavana. Tsy manana fahafahana mampiditra mpiasa ao amin’ny Union Européenne intsony izy ireo hoy ny mpahay toekarena Catherine Mathieu.
