Ny tanora sy ny fandraharahana : Ny toe-tsaina tokony hananana
Natao ho an’ny rehetra ny fandraharahana, ary samy manana ny heviny manokana momba izany ny isam-batan’olona. Mitaky fahaiza-manao izany, na inona na inona sehatry ny fanapahan-kevitra hanananao sy ny tanjaky ny hevitra ara-barotra anananao.
Isika malagasy dia manana hevitra maro ao an-tsaina, nefa rehefa misy hetsika atao dia tsy misy hevitra mihitsy. Ilaina ny fananana hevitra mazava tsara rehefa misy hetsika atao. Tsy voatery ho zavatra tena tiana koa anefa ilay izy, fa rehefa mazava tsara ny vinavinan’asa, ny tetik’asa dia hahomby ny olona iray te haniry ho lasa mpandraharaha.
Maro ny mihevitra fa tsy maintsy manana traikefa vao afaka miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana, nefa ny fananana volavolan-kevitra, na kely ary dia efa mety, mitombo tsikelikely eny an-dalana manko izany rehefa arahin’asa.
Mila foanana ao an-tsaina koa ny fieritreretana fa ny fandehanana any ivelany no tena vahaolana raha te ho lasa mpandraharaha mahay ny olona iray.
Afaka atao ihany koa ny mizara ny tetikasa amin’ny olona, izay hitanao fa hanampy anao, na eo amin’ny resaka ara-bola izany, na eo amin’ny toro hevitra. Mety anisan’ny tena nahatafita ireo mpandraharaha ny fananana vina izay zavatra tiany ho tanterahina, teo ihany koa ny fanampian’ny olona azy, raha tsy nanam-bola dia nifandray tamin’ny olona nanam-bola, raha tsy nanana fahaizana dia nanantona olona nanam-pahaizana.
Matetika miverina tokoa ny resaka hoe, ny olona tsy nianatra no mora tafita noho ny olona tsy nianatra. Eny, betsaka ny olona tsy nianatra no lasa mpandraharaha, ary tena misy lasa lavitra mihitsy. Mora kokoa amin’izy ireo manko izany satria, tsy be fanahiana sy be kajikajy izy ireo, fa tonga dia manatanteraka sy miasa avy hatrany.
Tsy tokony hisy fanahiana ny miroso amin’ity sehatra iray ity, fa mila mandray « risika » hatrany.
Murielle Andrianasoloniaina
