SocialTsidika

Parc Tsimbazaza : Tsy ampy fikarakarana

Isan’ny toerana iray mampiavaka ny tanànan’Antananarivo ny valan-java-boahary ao Tsimbazaza, noho izy ahitana ireo zava-maniry sy biby maro isan-karazany izay mampiavaka ny firenena. Mirakitra tantara maro teo amin’ny andron’ny faha-mpanjaka ihany koa io toerana io.

Hita anefa ankehitriny fa tsy ampy fikarakarana ny toerana indrindra ireo biby ka hatahorana ho lany tamingana. « Manaitra ny tompon’andraikitra misahana ity valan-java-boahary ity ny tenako fa tena mahonena sy tsy ampy fikarakarana loatra ireo biby sy ny toerana honenany » hoy i Rajaonah, mpanao politika avy ao amin’ny antoko mpanohitra nandalo teny an-toerana. « Ireo sisa no hany tahiry sy vakoka, satria ho sarotra indray ny hahita ny toa ireo, ka tena ilaina fikojana ary tokony ho laharam-pahamehana ho an’ireo mpiasa ao ny mikarakara izany, sady izany rahateo no asany » hoy i Vero, mpitsidika ny toerana.

« Miaina amin’ny tenany manokana ny park Tsimbazaza ka ireo vola vidim-pidirana no tena hivelomany hikarakarana ny ao anatiny rehetra » hoy ny tompon’andraiki-tserasera ao an-toerana, Raveloarinoro Gisèle.

Toerana tokony ho tsara indrindra eto Antananarivo ity toerana ao Tsimbazaza ity. Hita anefa ny tsy fahampian’ny fikarakarana izany amin’izao. Iza no tokony handray ny andraikitra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire