Dépêches

Nesorina tamin’ny toerany ny komandin’ny borigady tao Mahabo.

25 Oktobra, 11h56. Nandritra ny fidinana ifotona nataon’ny Praiministra sy ireo Minisitra tany amin’ny distrikan’ny Mahabo, faritra Menabe no nisian’ny didim-panjaka manala ny komandin’ny borigady eo amin’ny toerany. Nifanesy tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana tany an-toerana izay nampitaraina ny mponina. Nanome roapolo andro ireo tompon’andraikitra hamahana ny olana ireo olom-panjaka nanatrika ny dinika.

Laisser un commentaire