Martin Luther King Jr. : Mandroso foana, izay no làlana manakany amin’ny fahombiazana
Efa toetra raiki-tampisaka ao anatin’ny olombelona tsirairay avy ny fiovaovana. Amin’ny alalan’ny zava-misy eo anoloana ihany no afaka hiovana na tsia, toy ny hoe nahomby ve ianao sa tsia ? Miankina amin’ny fiovana mantsy no mety hampisy ny ho avy mamiratra eo anoloanao.Izay hanananao ihany no ampiasao mba hampandroso anao fa aza manasaro-javatra. Kanefa aza diso tsy mivakiloha loatra eo amin’ny fiainana, aza dia tia zavatra tsotra loatra. Antony mety aterak’ireo farany ireo mantsy ny nenina hoe « tahak’izay natao tsara ihany iny zavatra iray iny ». Na koa hoe « tokony izay fara-fahaizako no nomeko ».Ny nenina tokoa tsy aloha fa ao afara, hoy isika Malagasy izay. Noho izany, ataovy izay fara-vitanao, aseho ny talenta rehetra any aminao ary mitadiava hevitra hatrany mba hanehoanao izany. Raha tsy afaka manidina ianao dia mihazakazaha, mandehana tsotra fotsiny raha tsy afaka mihazakazaka, mihaniha raha tsy afaka mandeha, saingy manàna finiavana hatrany. Ataovy an-tsaina izay raha te hahomby marina tokoa ianao. Ny zava-dehibe indrindra, tsy mijanona eo ianao fa tokony hitady hevitra handrosoana hatrany. »Rehefa tsy voaray tamin’ny fifaninanana an-kira tamina fahitalavitra aho dia nampiseho izany tamin’ny tamba-jotra. Maro mpankafia aho izao fa tsapako fa manana ny lazako » hoy i Fitia, tanora. « Misy fetrany avokoa ny zava-drehetra fa tsy hoe ahita hevitra foana ianao akory. Misy fotoana efa tsy hitanao intsony izay atao, efa lany hevitra tanteraka ianao » hoy kosa i Ranto, tanora. Manolotra hafatra ho antsika kosa anefa i Martin Luther King Jr. (mpitolona ho an’ny fitovian-jo) : « raha tsy afaka manidina ianao, mihazakazaha. Raha tsy afaka mihazakazaka ianao dia mandehana. Raha tsy afaka mandeha ianao dia mandady, fa na inona na inona ataonao dia tsy maintsy mandroso ianao ».Tokony handroso foana izany ianao na inona na inona manjo anao. Saingy mila manana herin-tsaina vao afaka mandroso foana. Noho izany, tsy mba nety kivy sy ketraka mihitsy ve ireny olona efa misitraka ny fahombiazana ireny ? Herin-tsaina manao ahoana no nananan’izy ireny mba ahatongavany amin’ny tanjona tiany tratrarina ?
Miangaly Rasoamihajamanana
