ActualitésTsidika

Fampianarana : Nahazo famatsiam-bola ny lycée Andohalo

Vita ny alarobie teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mosoivohon’i Allemagne sy ny tale jeneralin’ny lycée Gallieni Andohalo. Natolotra ny sekoly noho izany ny vola mitentina 10 000 euros.  Anisan’ireo sekoly mpikambana ao amin’ny sekoly miara-miombon’antoka amin’ny ho avy (Pasch) aty Afrika ny lycée Gallieni, koa izany no nisafidina azy amin’ny fanomezana fanampiana. Ampiasaina amin’ny fanarenana ny toeram-pidiovana sy ny fananganana fotodrafitr’asa vaovao ho an’ny fihahiana ny fahasalaman’ireo mpianatra ity teti-bola ity.

Raha tsihahivina, niorina tamin’ny taona 1908, teo ambany fitarihan’ny mpanao maritrano sy mpanao politika Malagasy Razafy-Andriamihaingo, nandritra ny fanjanahana frantsay, ity sekoly ity. Nanana ny lazany teo amin’ny fampianarana ny sekoly hatramin’izay, ary mijanona ho lycéem-panjakan lehibe indrindra eto am-povoantany.

« Antenainay mpianatra ny hisian’ny fivoarana ety amin’ny sekoly. Mino izahay fa hangarahara tanteraka ny fampiasana ny famatsiam-bola » hoy i Falitiana, mpianatra taona famaranana. « Rariny sy hitsiny raha toa ka mahazo fanampiana ny sekoly, izay sangan’ny fampianarana toy izao. Maro amin’ireo olona ambony eo amin’ny fanjakana amin’izao repoblika fahaefatra izao no nandrato fianarana taty amin’ny lycée Andohalo » hoy i Njara, raim-pianakaviana nandrato fianarana tao amin’ny sekoly. « Mankasitraka ny masoivohon’i Allemagne noho izao fiara-miasa amin’ny sekoly izao. Zava-dehibe tokoa ny fanampiana toy izao, ahafahana mampandroso hatrany ny fampianarana » hoy ny talen’ny lycée.

Fitaovana mahahomby enti-miady amin’ny fahantrana ny fampiroboroboana ny fampianarana. Anisan’ny manampy amin’ny fitoniana ara-tsosialy ary mandrisika ny fitomboana ara-ekonomika maharitra ny fanomezan-danja ny fampianarana sy ny fametrahana azy ho loha-laharana amin’ny fampandrosoana. Laharam-pahamena ny fampiroboroboana ny fampianara raha tiana ny hisian’ny fivoarana eo amin’ny firenena noho izany.  Aiza ho aiza ny fanatanterahin’ny mpiondra ny velireno fahaefatra, fampianarana ho an’ny rehetra, amin’izao fisasahan’ny taom-pitondrana izao ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire