ActualitésTsidika

Fokontany Ambohitrarahaba sy Ankadikely : Mila ampiana ny foto-drafitrasa

Malahelo ireo mponina fa toa tsy misy foto-drafitrasa mihitsy any an-toerana. Mba te hahita fivoarana sy fandrosoana tahaka ny fokotany hafa ihany koa izy ireo. Efa ela no niaretana an’izany ka izay no mahatonga azy ireo hitaraina toy izao.

« Tena very lavitra mihitsy raha oharina amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny kaominina Ankadikely. Ilay tompon’andraikitra koa tsy hita mihitsy », hoy i Marc, mponina ao Ambohitrarahaba. « iny lalana Ambohitrarahaba, Antanandrano iny aloha raha mirotsaka ny orana dia asa fotsiny. Tena ratsy iny lalana iny, nefa ny lafiny avaratra rehetra iny mampiasa azy daholo ». Nanambara kosa anefa ny solotenan’ny mpiasan’ny kaominina fa, efa mandinika ny teti-bola momba ny fanamboarana izy ireo, mila mahay miandry isika fa tsy misy fokotany adino izany, hoy hatrany ny nambarany.

Ny fanamboarana toy ny foto-drafitrasa araka izany dia, tsy maintsy manaraka ny teti-bola fa tsy tora-po fotsiny. Tokony atao laharam-pahamehana ihany nefa na dia izany ary ny fanamboarana madinidinika, mba ho fifalian’ny vahoaka sy tsy hitsaran’izy ireo foana fa, tsy mahavita ny asany  ary tsy manatanteraka izay nampanantenainy mihitsy ny mpitondra.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire