ActualitésTsidika

Alasora : Fandikana didim-pitondrana

Efa nivoaka moa ny lalàna fa ireny toeram-pisotroana na toeram-pandihizana ireny dia tokony hihidy avokoa aorian’ny amin’ny sivy ora alina. Natao izany mba hisian’ny fandriama-pahalemana. Raha ny zava-miseho sy ny hiainan’ny mponina eny amin’ny kaominina Alasora amin’izao anefa, tsy izany velively. Mitaraina ireo manodidina fa tsy mba mahay mifanaja sy mifampitsinjo izy ireo.

Hoy i Fenitra, mponina ao Alasora : « natao resaka ambony latabatra fotsiny ary ve io didim-pitondrana io fa tsy hampiarina ? ». Nanamafy izany koa i Hanitra, vehivavy iray, azo lazaina fa efa nahazoazo taona ihany :  » tsy mba misy fitsinjovana mihitsy ve eto amin’ity tanàna ity ? Tsy hahitana tory mihitsy, manakotaba loatra, manampy trotraka koa amin’izany ireo jiolahimboto izay miteny ratsy etsy sy eroa ». Efa miezaka manao ny asany anefa ireo mpitandro filaminana fa dia izao mbola misy mahasahy mandika izao ihany.

Iaraha-mahalala fa manjaka ankehitriny ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy tokony hisy intsony, olona mbola mahasahy mivoaka amin’ny andro alina be toy ireny, mba hialana amin’ny loza maro samihafa mety hitranga. Raha tiantsika handry fahalemana ny toerana misy antsika, tsy aleo ve mba samy mifanaja ?

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire