Volan’ny mpandraharaha : Misy lalàna mifehy
Mahatonga tsy fiankinan-doha ara-bola ny miasa tena, kanefa isan’ny sakana betsaka ho an’ny tanora maro ny tsy fisian’ny vola. « Maro ireo tanora manakatona ny tsenany noho ny tsy fahampian’ny vola satria tsy maharaka ny vola mivoaka ny vola miditra » hoy i Tanjona, mpianatra « économie » eny Ankatso.
Azo sorohina tsara anefa ny olana tahaka izany, ka mila fandinihana lalina. Misy lalàna efatra mifehy io vola io mba ahazahoantsika antoka fa voavatsy ara-bola ny orinasantsika.
Voalohany, maro ny mpandraharaha miteny fa sarotra ny mahazo karama ara-dalàna satria tsy azo vinavinaina ny loatra ny vola miditra sy mivoaka. Izany toe-tsaina izany anefa no mila dinganina satria azo atao tsara ny mametraka ny vola karama isam-bolana voafaritra mazava na kely aza, karamantsika ao anatin’ny orinasantsika ihany ilay resaka. Aleo mametraka karama ho an’ny tena manokana toy izay izay vola miditra rehetra ao amin’ny orinasa dia antsika avokoa ka iny no heverina ho karama izany hoe arakaraka ny vola miditra izany ny karama, maninona raha apetraka dieny mialoha ilay karamantsikaka afaka manodina tsara ny orinasa iantsikaavy eo ?
Faharoa, kendrena ho ambony kokoa ny vola miditra noho ny mivoaka. Ny orinasa mahasoa dia orinasa miteraka tombom-barotra. Tsy ho mpampiasan’ny tena mihitsy no antsoina antsika raha handray karama fotsiny fa mpiasan’ny tena indray no hiantsoana antsika amin’izay. Ilaina ny famantarantsika dieny mialoha ny tombom-barotra noho izany mba hampiodinana ny orinasa, izany hoe raha esorina ny karamantsika sy ny fandaniana hafa dia ohatrinona izany ny tombony ?
Fahatelo, mila azo ny vola vao mamoaka vola. Vao manomboka mitsangana ny orinasa dia efa manana fanahy hieritreritra izay handaniana ny vola mety ho azon’ny orinasa sahady isika. Mila sorohina anefa izay toe-tsaina izay satria tsy hampandroso antsika izany. Efa noesorina kosa anefa ny karama sy ny tombom-barotra araka ilay lalàna voalohany sy faharoa dia fantatra aorian’izay ny teti-bola sisa tavela amin’ny fandaniam-bola.
Fahefatra, ampiasaina ho vidin’ny fahafahantsika ny vola. ahoana izany ? Ny tsy fijerentsika ny mpandraharaha manodidina antsika no dikany, satria ilaina ny fifantohana manokana amin’ny tanjon’ny tena sy fanirian’ny tena. Ampiasina araka ny noeritreretantsika azy ny vola fa tsy raha ny ataon’ny hafa manodidina. Betsaka mantsy ny olona tsy faly amin’ny fiainany satria izay nahafaly ny hafa no nalainy tahaka. Ny isan’ny mpiasa izao no handrefesan’ny olona iray ny fivoaran’ny orinasany, ny antsika kosa tsy tahaka izany fa tiantsika sy noeritreretintsika.
Nicole Rafalimananjara
