Belgique : Litera 4 mitovy ihany no nampiasan’izy mivady tamin’ireo zanany 11
Malaza ao Belgique mihitsy i Gwenny Blanckaert sy Marino Vaneeno, 32 sy 39 taona. Manan-janaka 11 izy mivady ary nisafidy manokana ny hampiasa litera 4 mitovy amin’ny anaran’ireo zanany ireo dia ny A, E, L, ary X. « Alex, Axel, Xela, Lexa, Xael, Xeal, Exla, Leax, Xale, Elax ary Alxe » no anaran’izy 11 mianadahy. Efa miandry ny faha 12 izy ireo amin’izao fotoana. « Tsy nanao sarotra anay mihitsy ny nitady ny anaran-janakay » hoy izy mivady, saingy ireo any an-tsekoly kosa no sahirana noho ireo zanany sasany iray sekoly.
