ActualitésTsidika

Avaradrano : Inona ny GEW Celebration BTC Avadrano 2021 ?

Firenena maherin’ny 180 no mandray anjara amin’ny Global Entrepreneurship Week Celebration isaky ny volana Novambra. Any Avaradrano kosa no hanatanterahana ny eto Madagasikara, izay fotoana hanomezana sehatra ny fandrarahana eto Madagasikara. Ny Fikambanan B-Training Center (BTC) no tena mikarakara azy izay ho tontosaina ny 8 hatramin’ny 14 novambra izao. »Isan’ny tanjona amin’ity GEW ity ny hitondrana fampandrosoana eo amin’ny sehatra toekarena eto Madagasikara, ka hizara telo lehibe ny fandaharam-potoana : ahitana ny Herinandron’ny mpandraharaha sy ny Fetsival GEW ary ny Startup Weekend Avaradrano » hoy i Diamondra, mpitantana ny BTC.Maro ny zavatra ho hita ao anatin’io Herinandron’ny mpandraharaha io ny 8 hatramin’ny 12 Novambra izao. Ireo andro ireo no voatokana hihaonan’ireo mpandraharaha sy ny tanora liana amin’izany. Hisy valan-dresaka sy fampitana an-tsary ny manodidina ny fandraharahana mandritra izany. Ny Festival GEW kosa dia ny 13 hatramin’ny 14 Novambra izay fotoana hanaovan’ireo mpianatra sy ny sekoly ary ireo mpandraharaha diabe hanentanana ny mponina Avaradrano hanome lanja ny fandraharahana. Hisy ihany koa ny fanentanana isan-karazany sy ny mpanankanto hanafana ny sehatra.Ny Startup Weekend Avaradrano kosa indray dia ny 12 hatramin’ny 14 novambra izao, izay entina hampisehoana ireo tetik’asan’ireo tanora mpandray anjara, ary hamatsiana ara-bola izay tetik’asa mandresy lahatra fa hitondra fampandrosoana eo amin’ny toekarena Malagasy, izany hoe fanatanterahana ny nofinofin’ireo mpandray anjara ka hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ilay tetik’asa. Hivondrona ao anaty tetik’asa iray ireo tanora mba hananganana tanjona iray lehibe iombonana. Tsy mifidy sehatr’asa ity fotoana iray ity fa afaka manatrika avokoa ny rehetra na mpianatra na tanora na mpampianatra na tantsaha.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire