ActualitésTatitra

France : TER iray nandona olona efatra

TER (Transport Express Régional) iray no nandona olona 4 ny talata teo tao Ciboure ao Saint-Jean-de-Luz. Maty teo no ho eo ny 3 tamin’ireo raha ny fanazavana ary ao anaty fahasarotana ny iray. Ao anatin’ny marika SNFC ny TER, tsy vao voalohany izy no tratran’ny lozam-pifamoivoizana. Olona mpifindra monina natory teo amin’ny làlam-by ireo voadona ireo raha ny fanazavan’ny ben’ny tànanan’i Ciboure, Eneko Aldana-Douat.

Laisser un commentaire