Lehilahy voatsatoka antsy tao Andavamamba
13 Oktobra, 08h30. Lehilahy iray monina ao Andavamamba no namoy ny ainy vokatry ny tsatoka antsy nataon’ny vadiny. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny ady izay niafara tamin’ny famonoana ho faty, ny hany fantatra dia efa mateti-pitranga loatra ny fikasihan-tanana ataon’ilay renim-pianakaviana. Efa atao famotorana eo amin’ny biraon’ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy ilay ramatoa ankehitriny.
