SocialTsidika

Ambohimanambola : Mpianatra telo no naratra

Mpianatra maro no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny talata 5 oktobra lasa teo tany Ambohimanambola raha iny maraina handeha hianatra iny. Fitaovam-pitaterana kodiaran-telo nitondra mpianatra tao amin’ny CEG Ambohimanambola no nidona tamin’ny dongona ka nitarika ny faharatran’ireo mpandeha ka mpianatra 7 be izao no naratra. »Tsy voatana intsony ny hisatra ka tsy maintsy nadona tamin’ny dongona mba tsy ho henjana ny loza » hoy ny mpitatitra, izay rangahy 43 taona. « Teo amin’ny sampanana Anjeva Gara sy Ambohimanambola no nisehoan’ny loza, tsy maintsy noentina tany amin’ny trano fianarany aloha ireo naratra mba tsy hahasarotra ny raharaha » hoy i Holy, mpivarotra teo amin’ny manodidina nahita maso ilay loza. « Efa nentina vonjimaika teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo hita fa naratra mafy raha nalefa nody ireo azo notsaboina tany an-tranony » hoy ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Nahitam-pahasimbana goavana ilay fitaovam-pitaterana izay tsapa fa nahafaty antoka ilay tompony.Mila fitsirihana hatrany anefa ny fitaterana tahaka izao mialohan’ny hampiasana azy mba ahazoana antoka fa tsy hitera-doza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire