ActualitésTsidika

Ny renivohitr’i Mananjary no nandray ny lanonam-panokanana tamin’ny fomba ofisialy ny faritra faha teo amby roapolo

Anio no tokanana tamin’ny fomba ofisialy ny faritra Vatovavy, izay faritra faha telo amby raopolo eto Madagasikara. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Goverinoran’ny faritra.Nandritra izany fanokanana izany ihany koa no nitokanana ireo fotodrafitr’asa maro izay natsangana tao amin’ny faritr’i Mananjary, anisan’izany ny lalana rary vato tao Andovosira, ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra ao Fangato. Iray amin’ireo fampanantenana nataon’ny filoha nadritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny taona 2018 ny hametrahana an’i Vatovavy ho faritra faha telo amby raopolo, nohamafisina izany tamin’ny lahateny izay nataony tao amin’ny kianjaben’ny Mahamasina nandritra ny fianiany.Ny 11 aogositra lasa teo, raha tsihahivina, ny fametrahana izany faritra izany tamin’ny fomba ofisialy, izay natrehin’ireo olobe sy ampanjaka maro avy amin’ny faritra roa tonta sy ny Filoham-pirenena. « Tanteraka ny hetaheta ankehitriny, manampy betsaka min’ny fampandrosoana ny faritra izany fa tsy mitarika amin’ny fizarazara sanatria » hoy i Ratsitakatrarivo, ampanjakan’ny faritra Fitovinany. »Izay tsy laharam-pahamehana amin’ny hanarenana ny toe-karena ihany no himasoan’ny fanjakana amin’izao fotoana, anisan’ireo miandry fatratra ny hisaokafan’ny sisi-tany ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany saingy tsy henoin’ireo mpitondra ny fitarainany » hoy i Joël, mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany. »Anisan’ireo niady mafy teo amin’ny antenimiheran-doholona amin’ny handaniana ny hisarahan’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany nadritra ireo fivoriana maro samy hafa ny tenako amin’ny maha lohona mihahy izany faritra izany, eo ihany koa ny fanatanterahana ny fampanantenana natao tamin’ny fampielezan-kevitra, tanteraka izany ankehitriny koa miara-mifaly amin’ireo mponina noho izao fahombiazana izao » hoy ny lohona voafidy tany amin’ny faritr’i Mananjary, Nicolas Rabemananjara. »Aoka isika tsy hanaiky hozarazarain’ny hevitra tsy mitovy izay hevitra manakana ny fandrosoana, Aoka ny tombotsoan’ny maro no jerena, izany mitambara amin’ny hevitra mitondra amin’ny fivoarana sy ny fandrosoana » hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsy nataon’ireo mpitondra sakana amin’ny fanatrarana ny vina napetrany ireo sakana sy olana maro nosadreina nandritra izany fizarana ny faritra Vatovavy sy Vitovinany izany.Antenaina fa hitondra fampandrosoana any amin’ny faritra izay fitsanganany amin’ny fomba ofisialy izany. Anisan’ireo manana tombony lehibe amin’ny fampandrosoana ny faritra i Vatovavy noho ny fisian’ireo toerana izay mahasintona mpizaha-tany maro toy ny Nosy varika, ny fisokafan’ny sisin-tany no hany sisa andrasana amin’ny fitondrana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire