Tokony ahemotra ve ny fifidianana ny holafitry ny mpanao gazety ?
Efa ho efa-taona izay no tsy nisy holafitra ny asa fanaovan-gazety ka tsy misy antony tsy tokony hirosoana amin’ny fifidianana izay voatondro ny 14 oktobra ho avy izao. Maro amin’ireo mpanao gazety noho izany no miombon-kevitra amin’ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fifidianana na dia olo-tokana monja ihany aza no voasotra anaty lisitra.Niteraka adihevitra teo amin’ny samy mpanao gazety mantsy ny olana izay nisy manolona ny kandida tokana amin’izany fifidianana izany. Ankilan’izany ny fitsabahana andraikitra ataon’ny Minisitry ny serasera Rakotondrazafy Lalatiana amin’izany asa izany, hany ka lasa fitaovana politika ny asa ankehitriny. Tsihaihivina mantsy fa mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana no kandida amin’ity fifidiana ity koa noho izany indrindra no mampihorohoro ireo mpiasa amin’ny tsy fahafahany miveletra amin’io sehatra io. Ahiana hitarika fangejana ho an’ny asa mihitsy aza izany. »Hery iray hitarika amin’ny fahombiazana ny fiombonana misy amin’ny samy mpanao gazety, hinoaka fa tsy fotoanan’ny fangatahan’andro intsony izao fa aleo hiroso ny fifidianana » hoy i Andriamarotafika Soava, Talen’ny famoahana amin’ny haino aman-jery iray eto Antananarivo. »Mitaky ny famerenana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izahay, tsy azo ekena io fifidianana izao atao amin’ny endriny saritsary koa takiana ny hampitsaharana izany dieny izao » hoy i Heninkaja Rakotomanantsoa, mpanao gazety. »Vonona hamerina indray ny lanjan’ny asa fanaovan-gazety no antony nanapakevitra ahy hirotsaka amin’ny fifidianana. Amin’ny alalan’ny tenako manokana amin’ny maha mpanao gazety ahy no hirotsahako fa tsy amin’ny anaran’ny antoko politika izay ahiahian’ny maro » hoy i Ranaivoson Garry Fabric , kandida ho filoha lefitra. « Ho an’ny tombotsoan’ny asa no hijoroana, tsy maintsy atao izay marimaritra iraisana amin’ny asa ho fampandrosoana izany » hoy ny kandida ho filohan’ny asa fanaovan-gazety, Monica Rasoloarison.Asa iray izay mitondra filaminana ho an’ny firenena iray ny asa fanaovan-gazety, tsy hita taratra izany raha izao zava-misy eto Madagasikara izao no jerena. Marihina fa efa misy lalàna sy fitsipika mamehy azy ny resaka serasera eto Madagasikara ka tsy tokony hisy sakana ny fanatanteraha ny fifidianana raha toa ka miombona amin’ny mangaraharaha hatrany ny fifidianana izay ho tanterahina. Fampandrosoana no katsahina saingy indrisy fa miady andarikitra ireto olona izay fitaratra ho an’ny vahoaka manoloana ny fampandrosoana ny firenena.
Haingotiana Andriamihaja
