Etats-Unis : Lasan’i David Julius sy Ardem Patapoutian « prix Nobel de médecine » 2021
Nahazo marim-pankasitrahana noho ny fahitany mahakasika ny « toucher » ny profesora ao amin’ny oniversiten’i Californie, David Julius, 65 taona sy ny profesora ao amin’ny Scripps Research ao Californie, Ardem Patapoutian, 54 taona. Resy lahatra tamin’ny fandinihan’izy ireo ny fomba hatsapan’ny « système nerveux » ny mari-pana ireo siantifika ka nanolotra azy roa lahy ny « prix Nobel de médecine » 2021.Ahafahana mahazo ny « impulsion nerveuse » ateraky ny hafanana sy ny hatsiaka io fahatitan’izy ireo io hoy ny mpitsara Nobel tao Stockholm. Ho fantatra androany kosa ny nahazo ny « Nobel de chimie », rahampitso ny an’ny literatiora ary amin’ny zoma ny an’ny « paix ».
