Nomarihina tany Ambatondrazaka ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany ho an’ny faritra Alaotra Mangoro
Nomarihana tany Ambatondrazaka ny 1 oktobra teo ny andro maneran-tany ho an’ny fizahantany ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Nanamarika izany ny Ministry ny fizahantany, Randriamandranto Joël. « Tsy diso anjara amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany ny Faritra Alaotra Mangoro tamin’ity taona 2021 ity » hoy ny Ministra. « Efa tamin’ny alakamisy teo no natomboka ny fety fankalazana azy nifarana ny sabotsy 2 oktobra izany hoe telo andro ny faharetany tao amin’ny Médiathèque Paul Chassain Ambatondrazaka » hoy ny mpikarakara ny hetsika.
« Nahafinaritra ny hetsika satria nahafanay mponina aty an-toerana nampiranty ny vokatra taty aminay sy ny talentanay » hoy i Florentine, mponina any an-toerana. Nisy fampiratiana maro isan-karazany sy famelabelaran-kevitra, lalao ary fifaninana dihy isan-karazany nentim-paharany no nentina nanamarihana izany telo andro nifanesy izany. Ny fanomezan-danja ny kolontsaina Malagasy no tena misintona ireo fizahantany eto amintsika, manomboka miha manjavona anefa ny kolontsaina sasany amin’izao noho ny fanatontoloana ka mitoka amin’ny tanora isika mba hanome lanja izany.
Nicole Rafalimananjara
