Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany faharoa Itasy
01 Oktobra, 12h12. Hotontosaina any Ampefy, faritra Itasy manditra ny telo andro ny « andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra » na « journée internationale des régions » andiany faharoa. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niara-dia sy nanotrona azy tamin’izany ny tenako amin’ny maha Filohan’ny Governora eto Madagasikara ahy sy ireo mpikambana amin’ny Governemanta vitsivitsy. Teo ihany koa ny Filohan’ny Antenimiera roa tonta.
