ActualitésTsidika

Viliahazo Avaradrano : Nasiana takelaka fanoroan-dalana alohan’ny idiarana ny tanàna

Notoloran’ny olon-tsotra fitaovana manoro ny tanàna ny Kaominina Ambanivohitra Viliahazo Avaradrano. Eo amin’ny tanàn’Ambatolampikely akaikin’Ambohimalaza no nahitana izany fa velom-pisaorana ny mponina sy ny avy ao amin’ny Kaominina. »Mety mihitsy ny tahaka izao satria sady manampy ireo vahiny hitsidika no manome lanja ny fizahan-tany aty an-toerana » hoy i Nathalie, mponina any Ambatolampikely. « Tena ilaina ity panneau d’indication ity ho fampahafantarana ny tanàna mba hampiroboroboana ny fampandrosoana ny kaominina iray manontolo satria tsy very ireo te hitsika sy hanampy ny tanàna » hoy ny Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Viliahazo. »Mila fampandrosoana ny kaominina ambanivohitra ka miainga amin’ny zavatra kely aloha vao mihalehibe » hoy i Harimanana, mpianatra momba ny fampandrosoana ny tontolo eny ambanivohitra. Maro tokoa no manontany ny làlana ho any Viliahazo rehefa eo Ambatolampikely ka mety tokoa ny nanasiana an’ity torolalana ity ka 8 kilaometatra miala eo no misy ny kaominina. Azo antoka ve ny firoboroboan’ny mpitsidika aorian’izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire