Dépêches

Manamafy ny ady amin’ny kolikoly ny fisian’ny Ivotoro

29 Septambra, 08h45. Tombon-tsoa telo, farafahakeliny, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, no azo amin’ny fisian’ny Ivotoro (Ivon’ny Torohay). Manamafy ny ady amin’ny kolikoly; satria mahalala ny tokony hataony ny olom-pirenena ka tsy voafitaky ny mpanambaka na mpanararaotra eny anivon’ny biraom-panjakana eny. Mananteraka ny paikady hoe “fanjakana manakaiky vahoaka” sy manamafy ny firosoana amin’ny “digitalisation” hanamorana ny fomba fiasan’ny sampan-draharaham-panjakana isan-karazany. Ankoatra izay, mampihena koa ny fahasahiranan’ny olom-pirenena, noho ny fandaniana fotoana sy vola amin’ny saran-dalana na sakafo isan-karazany amin’ny fivezivezena mikarakara taratasim-panjakana.

Laisser un commentaire