ActualitésTsidika

Befandriana Avaratra : Natomboka ny fitsarana miaramila 2021

Natomboka ny alatsinainy 20 septambra, ny fitsarana miaramila 2021, ho an’ny Disitrikan’i Befandriana Avaratra, faritra Sofia. Tanora lahy sy vavy 19 taoana hatramin’ny 31 taona no afaka manao izany fitsarana miaramila izany.

« Haharitra hateloana izao fitsarana miaramila izao raha ato amin’ny disitrikan’i Befandriana Avaratra, satria hifarana ny alarobia 22 septambra izao izany », hoy Adjudent Chef, Abasy Alad Noelison, tompon’andraikitry ny fitsarana miaramila ato amin’ny Faritra Sofia. « Hanomboka 15 oktobra ary hifarana ny 15 desambra 2021 izao kosa ny fandraisana ny izay hiditra ho miaramila » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena. « Maheno ny ao Antananarivo izahay dia sasa-miandry fotsiny izay mba anjaranay aty amin’ny faritra izahay satria tena ilainay be tokoa ilay karatra maitso » hoy i Laurent, tanora avy any Sofia. Fanompoam-pitiavana ny firenena ny fandraisana anjara amin’ny fitsarana miaramila. Ilaina tena ilaina indrindra amin’ny taratasim-panjakana tokoa ilay karatra maitso zaraina mandritra izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire