Hiara-hianatra ny afaka bakalorea teo sy tamin’ny herintaona ao amin’ny Fakiolten’ny EGS Ankatso
Hanomboka ny 4 oktobra 2021 ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo manerana ny nosy ho an’ny taom-pianarana 2020-2021. Maro sampam-piofanana azo rantovina eny amin’ny Oniversite ary na ny antontan-taratasy no hanaovana ny sivana na misy ny fifaninana hokarakaraina. Hiaraka hiditra ireo izay efa afaka bakalorea 2020 ka voaray tamin’ny fifaninana sy ireo vao afaka bakalorea farany teo raha ny ao amin’ny Fakiolten’ny EGS manokana. « Tapaka nandritra ny fivorian’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fampianarana ambony fa ny 04 oktobra ny fidiran’ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo ka isany hanaraka izany fanapahan-kevitra izany izahay ato amin’ny sampam-pianarana Ekonomia, Fitantanana ary ny Hay fiarahamonina » hoy ny Sojaben’izany Fakiolte izany.
« Hiaraka hiditra amin’ireo izay efa afaka bakalorea 2020, ka voaray tamin’ny sivana hidirana ao amin’ireto sampam-pianarana izay natao ny volana martsa 2020 lasa teo iny, ny mpianatra afaka bakalorea ny taona 2021, teo iny » hoy ny tompon’andraikitra pedagojika. « Sahirana ny sainay vao afaka Bakalorea teo satria ny mpianatra afaka tamin’ny herintaona nilaza fa mbola tsy nianatra mihitsy, dia sanatria hiandry herinatona ve izany? » hoy i Tsiaro, mpianatra vao afaka fanadinana Bakalorea teo. Hisy ny sivana na fifaninana handraisana ireo mpianatra vao afaka Bacc 2021, izay isany hiditra amin’ny volana oktobra ho avy io ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Izany no natao mba tsy hisian’ny elanelan-taona banga eo amin’ny Oniversite vokatry ny hamehana ara-pahasalama izay nisy ireny.
Nicole Rafalimananjara
