Dépêches

Miisa 66 ireo mpandraharaha nahazo alalana amin’ny fanondranana lavanila

21 Septambra, 09h08. Fomba fiasa vaovao no napetraky ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Razafindravahy Edgard amin’ny fanombohan’ny fanadiovana tanteraka ny fihariana lavanila. Nojerena isan’isany ny fangatahana nataon’ireo mpandraharaha. Tsy maintsy ara-dalàna amin’ny fandoavan-ketra sy ny famerenana vola vahiny ireo mpandraharaha mialoha ny fanomezana azy ny alalana. Miisa 300 ny isan’ireo fangatahana voarain’ny ministera, ka ny 66 ihany izany no nekena.

Laisser un commentaire