SocialTatitra

Etats-Unis : Inona tokoa moa ny Met Gala ?

Nitarika resa-be tao amin’ny tamba-jotra sosilay ny fitafian’ireo olo-malaza nandritra ny Met Gala 2021 tao Metropolitan Museum of Art tao New-York. Tany am-piandohany dia « Costume Institute Gala » mihitsy no niantsoana io hetsika io, izany hoe ny fitafiana mihitsy no omen-danja aminy.Tamin’ny taona 1948 no niforina ny Met Gala, mpanao gazety lamaody fanta-daza Eleanor Lambert no namolavola azy. Misy isan-taona ity hetsika ity ary entina hanangonam-bola ho an’ny Anna Wintour Costume Center, sampana ao amin’ny Metropolitan Museum of Art. Miova isan-taona ihany koa ny lohahevitra ny hetsika izay apetraky ny mpikarakara, ny lohahevitry ny Met Gala 2021 teo izao dia « American Independence » na « ny fahaleovantena ».

Laisser un commentaire