ActualitésTatitra

Nigéria : Mpianatra an-tapitrisany no tsy mandeha sekoly noho ny tsy fandriampahalemana

Mpianatra 37 tapitrisa no tokony hiditra an-tsekoly amin’ity taom-pianarana ity hoy ny UNICEF ny alarobia teo saingy an-tapitrisany amin’ireo no tsy afaka ny hanatanteraka izany noho ny tsy fandriampahalemana misy ao an-toerana. Tsiahivina fa misy mpampihorohoro manafika ireo sekoly ao an-toerana ary maka an-keriny ireo mpianatra atao takalon’aina.Mpianatra iray tapitrisa no tsy alefa an-tsekoly amin’ity taom-pianarana ity mba hitsinjovana azy ireo hoy Peter Hawkins, solontenan’ny Unicef ao Nigéria. Tamin’ny taom-pianarana lasa teo mantsy dia nisy fanafihana sekoly 20 tao an-toerana, izay nakana an-keriny mpianatra 1 400 ary nahafatesana mpianatra 16.

Laisser un commentaire