SocialTsidika

Maro ireo fanorenan-trano tsy manara-dalàna manamorona an’Ikopa

Tsy misy manara-dalàna ny fiorenan’ny trano manamorona ny ranon’Ikopa indrindra ireo manasaraka an’Antananarivo Renivohitra sy Tanjombato. Tsy ekena ihany koa noho izany ny fanarian’ireo mponina maloto ao amin’ny ranon’Ikopa kanefa tafiditra ao anatin’ny toerana tsy azo anorenan-trano iny faritra iny.

« Mbola tsy misy ny taratasy manamarina fa anay ny tany saingy noho izahay efa nanajary ny tany no tena iadivanay ny mba tokony hijerena izany akaiky satria efa nanaitra anay ny tompon’andraikitra fa tsy azo honenana manamorona an’Ikopa » hoy i Tahiana, mponina eny Amoron’Ikopa. « Misy tokoa ireo minia manampin-tsofina ka tsy mety handao ny tanàna na dia efa nisy aza ny fanairana satria tsy sady misy ireo tsy manana taratasy ara-dalàna amin’ny fanorenana akory no mbola minia manao fanotofana tany mba hihitaran’ny toeram-ponenany » hoy ny ben’ny tanàna Tanjombato, Rakotojohary Tovo. « Nanamboatra izay tokony azo atao izahay ary manatsara hatrany mba hanananay toeram-ponenana » hoy i Raymonde, mponina any an-toerana. Ankoatran’ny tsy azo anorenana toeram-ponenana manamorona an’Ikopa dia tsy ekena ihany koa ny fanariana maloto ao amin’ny rano izay mamatsy ny tobim-pamokaran-drano any an-toerana. Ny olona aman’hetsiny ve no hizaka ny adalan’ny olona amam-polony ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire