Havaozina ny Hôtel des Thermes ao Antsirabe sy ny Betty Plage ao Sainte-Marie
Naharay tolotra folo avy amin’ny Ministeran’ny fizahan-tany ny Hôtel des Thermes sy Betty Plage mba ho famahana ny olana misy. Tokony ho vita tsy ho ela ity fomba fiasa ity raha dinihina. Anisan’ny tombony ho an’ny Nosy malagasy mantsy ny fananana toerana mahafinaritra tahaka itony ary tena mampivelatra ny firenena. Tokony ho voafidy amin’ireo mpandraharaha am-polony izay nanolotra ny fangatahany hitantana sy hiasa amin’ireo fanjakana roa tonta izy ireo.
Raha atao ny tamberina, ny 01 jolay 2021 lasa teo no nanao fanambarana izy ireo fa misedra fahasahiranana. Nitady mpiara-miasa izy ireo noho izany ka izao nahazo tolotra maro izao. Marihina fa efa voasokajy tamin’ireo hotely efatra fanta-daza (Zahamotel à Mahajanga, Société Malgache d’Hôtellerie) izy ireo ny taona 2004. Izany indrindra no antony lehibe hampivoarana ireto toerana ireto malaky, noho izy efa tsara laza.
« Mety hampiditra mpizaha tany betsaka ho antsika ireo toerana ireo raha voavoatra tsara haingana » hoy i Nathalie, mpianatra taona faharoa eo amin’ny sehatry ny fizahantany. « Tsy ahazoana tombony betsaka ho an’ny firenena Malagasy akory ny ho fivoaran’ireo toerana ireo satria ho lasan’ny sponsors avokoa ny tombony » hoy kosa i Toby, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Nisy lamina napetraka momban’ny fahalianana eo amin’ny isa marin’ireo mpandoha vola. Nanambara ny Ministeran’ny fizahan-tany noho izany fa, « ny faharetan’ny mpanolo-tsaina sy ny fahaizan’izy ireo mampiasa vola amin’ireo harem-panjakana, mazava tsara ao anaty antso ireo dia maneho fahalianana tanteraka ». Mamaritra ihany koa anefa izy ireo fa « misy ny vondrona indostrialy lehibe nefa misy koa ny mpandraharaha kely kokoa ».
Manoloana izany, mbola mandalo dingana maromaro ny tolotra tsirairay mba ahazoam-bokany. Nametraka fe-potoana farany ho fanaterana ny antonta-taratasin’ireo mpandraharaha ny Ministera tamin’ny 09 jolay lasa teo, saingy tsy maintsy nohitarina izany taorian’ny fanehoan-kevitra marobe momba ny faharetan’ny fe-potoana nomena azy ny 09 septambra teo. Raha izay ary, mety haharitra hafiriana vao andeha sy hizotra raha ny tokony ho izy ny Hôtel des Thermes sy Betty Plage ?
Miangaly Rasoamihajamanana
