ActualitésTatitra

227 ireo mpiaro ny tontolo iainana novoina nandritra ny taona 2020

Nanao tatitra ny ONG Global Witness ny 13 septambra teo fa isa avo indrindra hatramin’izay ity trangam-pahafatesana mpiaro tontolo iainana miisa 227 ity. Ao Amérique latine ny ankahamaroan’izy ireo raha ny fanazavana izay nahitana tranga 65 tao Colombie. Manaraka azy i Mexique amina isa 30, Philippines nahitana tranga 29, Brésil nisy 20, 17 tao Honduras ary amina firenena hafa ny ambony.Niady ho an’ny fandripahana ny ala ny 70% ireo namoy ny ainy ireo raha ny fanazavana ary avy amina firenena efa mandroso avokoa. Niakatra kosa ny isa raha hoarina tamin’ny taona roa teo aloha, 167 tamin’ny taona 2018 ary 212 ny 2019. Nifandray tamina fitrandrahana ala, fanamboarana tohodrano, fitrandrahana harena ankibon’ny tany ary « agro-industrie ».

Laisser un commentaire