SocialTsidika

Nahazo fitaovam-pitsaboana ny faritra Boeny sy Sofia

Hanamafisana hatrany ny fitsaboana amin’ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly ifotony any amin’ny faritra Boeny sy Sofia no nanolorana izao fanampiana izao. Nanome fitaovana ara-pitsaboana mitentina 1,5 tapitrisa dolara ny masoivoho amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa ara-pahasalamana Accessible Continuum of Care and Essential Services Sustained (ACCESS). Natao hanampiana ireo marary  eny amin’ireny toerana ireny izany.

Azo lazaina fa manana fahasarotana mantsy ireny tobim-pahasalamana ireny noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ampiasainy, hany ka tsy afaka misitraka fitsaboana araka ny tokony ho izy ireo marary ireo. Hita izany nandritra ny krizy ara-pahalsalamana izay tena nandripaka olona maro tamin’ny taona 2020. Nirongatra tanteraka ny valan’aretina covid-19 tamin’io taona io. Maro ny olona narary ka nanatona ireny toeram-pitsaboana ireny nefa tsy afaka nisitrika fitsaboana ara-dalana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana ao anatiny. Natolotra noho izany ireto fitaovana ireto ho an’ny Centres Hospitaliers de Référence de Discrit (CHRD), ny Centres Hospitaliers Universitaires (CHU) ary ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) izay be mpisitraka indrindra.

« Mety ary inoana fa hahavonjy olona maro ireo fitaovana izay natolotra ireo » hoy i Rondro, mponina ao amin’ny faritr’i Sofia. Hoy kosa anefa i Jules, mponina ao amin’ny faitra koa : « tsy azo ekena ireo fitaovana ireo satria mety hisy hevitra ambadika na takalo goavana ka vao maika hanome fahasahiranana ho an’ny firenena ». Ho fanampiana hatrany ny Malagasy « ny CSB  rehetra ao amin’ny distrika fito ao Sofia dia  hahazo fitaovana fitsaboana toy izany koa » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny faritra. « Vahoaka Malagasy salama no tanjona » hoy ny profesiora Zely Arivelo Randriamanatany.

Manoloana izany, ho afaka hisitraka fitsaboana vanona sy mirindra ireo marary izay hitsidika ireny tobim-pahasalamana ireny manomboka izao. Tsy ho sahirana intsony ireo mpitsabo handray ireo mpiteraka rehetra noho ny fitaovana efa ampy ary amin’ny kalitao tsara ihany koa ho tombon’izany. Mikendry hanatsara sy hampivoatra ny raharaha ara-pahasalamana natolotra ny mponina no tanjon’ny USAID. Raha izay ary dia mety ho vitan’ireo maso ivoho amerikana ireo ve ny mampandroso sy mampivoatra ny tobim-pahasalamana isam-paritra rehetra eto Madagasikara ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire