SocialTsidika

Tovolahy kely nahafaty vehivavy iray

Tovolahy iray vao 16 taona no nahafaty vehivavy iray mpiray vodirindrina aminy any Ambalahasina ao amin’ny Kaominina Ampasimbe Onibe. Mpandaza azy any amin’ny ray aman-dreniny io vehivavy io ka izay no namonoany azy.

« Mpitoroka ahy any amin’ny ray aman-dreniko foana io vehivavy io ka bedy foana aho, nitsiry tao an-tsaiko ny hamono azy » hoy ny fanazavan’ity tovolahy ity. « Ny 31 aogositra lasa teo no niandrasany an’io vehivavy io ka nokapainy tamin’ny antsibe ny atony sy ny lohany ary ny tanany izay nitarika amin’ny fahafatesany » hoy ny Zandarimariam-pirenena.

« Tena nahavita zava-doza mihitsy ity tovolahy ity, tsy mahazaka tenenina ve sa diso mampijaly azy loatra ny ray aman-dreniny ? » hoy i Soafara, mponina ao an-tanàna. Saron’ny zandary ity tovolahy ity taty aoriana ka niaiky ny heloka bevava nataony izy ary ho atolotra ny fitsarana. Tsy mety amin’ny zanaka ve ny fibedesana satria mampahatonga azy hanao izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire