Fitaterana : Mikaikaika ny mpampiasa ny zotra 133 amin’ny tsy fanarahan-dalana ataony
Mitaraina ireo mponin’Itaosy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireto zotra 133 ireto, tsy tonga eny amin’ny « Terminus » intsony izy ireo, eo amin’ny toeram-piantsonana eo amin’ny Fiaro Ampefiloha dia efa miverina, ary tsy mbola feno akory dia efa manohana mpandeha.
Tsy omena alalana hiasa ireo taxi moto kanefa izao no ataon’ireto Bus, na ireo lazaina fa « bus class » aza moa toa tsy mba betsaka azon’ny olona handehanana akory. Zary lasa tsy ampy ny zotram-pitaterana, lany saran-dalana ihany koa ireo olona satria raha lalana tokony handehanana taxi be indray mandeha lasa indroa na in-telo az vao vita, nefa iaraha-mahalala ny fahsahiranana.
« Kitakita sy fahakizitinana efa tsy lazaina intsony, mbola miampy ny fiverenana an-dalana ataon’ireto Taxi be koa, tsy misy intsony ny fanajàna ny zon’ny mpanjifa fa manao izay tiany ireo bus » hoy i Rova mpampiasa ny zotra 133 makany Itaosy.
« Miezaka ny hitatitra ny olon-drehetra hiakatra any amin’ny ville izahay fa saingy noho ny fitohanana dia tsy manan-tsafidy izahay fa tsy maintsy miverina maka ny olona mbola any, amin’izay samy mba tafavoaka ny faritr’itaosy daholo na dia tsy tena tonga any Analakely aza »
Namaly ihany ny mpitantana kaoperativa fa « fa miezaka manao ny asanay izahay fa ny mpitaitra mihintsy no misy mafy loha ka lasa ny mpanjifa no mijaly, ho ezahina ny fitadiavana vahaolana ».
Nilaza koa anefa ny solon-tena miaro ny zon’ny mpanjifa fa « tsy tokony tsinotsiniavina ny mpandeha amin’ny zotram-pitaterana fa raha tsy misy izy ireny dia tsy mikarama ianareo mpitatitra, tokony hajaina sy apetraka amin’ny toerany izy ireny noho izany ».
Anisany manana anjara toerana goavana eo amin’ny fiaraha-monina tokoa ny sehatry ny fitaterana ka tokony mba jerena akaiky ihany, ny mpandeha indrindra satria izy ireny no loharano mampandeha ny sehatry ny fitaterana. Raha tsy misy ny olona taterina, dia inona indray ny asa ataon’ny mpitatitra ?
Lovasoa Tojonirina
