Dépêches

Nolavin’ny OMC ny hetsiky ny RMDM ny sabotsy ho avy izao

10 Septambra, 14h00. Nikasa ny hanao hetsika ao amin’ny faritry Vakinan-karatra indray ireo mpanohitra avy ao amin’ny « RMDM » kanefa nandamoaka satria nolavin’ny prefen’ny polisy ao an-toerana izany.

Nanoloana izany fikasàn’ny Rodom-ben’ny Mpanohitra eto amadagasikara“RMDM” hidina an-dalambe any Antsirabe ny sabotsy ho avy izao izany anefa dia nilaza ny OMC izay notarihin’ny prefen’ny polisy ao Antsirabe fa “tsy misy fahafahana hanao hetsika ao amin’ny faritra vakinankaratra, na avy amin’ny antoko inona na inona, vao afaka tamin’ny famehana ara-pahasalamana ny olona ka mila fitoniana sy filaminana fa tsy tokony ho korontanina”

Tsy niandry ela anefa dia namaly koa ny an-kilany izay notarihin’i Pasteur Edouard Tsarahame fa “na inona hiseho na inona hitranga dia tsy maintsy ho tonga ao Antsirabe izahay amin’ny sabotsy izao, Ka ajanony ny fampitahorana sy ny fandrahonana, fa tsy mahasoa ny tanindrazana izany hoy ihany ny tenany”.

Raha amin’izao fahasahiranana mahazo ny vahoaka izao dia tsy hay na tena ho vahaolana tokoa ny fitokonana na tsia fa amin’ny maha-polotika azy dia samy manana ny marina aminy ny tsirairay ary samy miaro ny tenany ihany koa.

Laisser un commentaire