SportTatitra

RDC : Iza ireo ekipam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitran’i Congo ?

Omena ny anaram-bositra hoe « Léopard » ity ekipa ity raha « équipe du Zaïre de football » no niantsoana azy nanomboka ny taona 1971 hatramin’ny 1997. Klioba ao anatin’ny FECOFA na « Fédération congolaise de football association » izy, izay mampivondrona ireo klioba sy fifaninana ary ny lalao iraisam-pirenena ao Congo. Firenena voalohany tao Afrique atsimon’I Sahara tafakatra tamin’ny lalao baolina kitra niadiana ny tompondaka maneran-tany izy ny taona 1974 ary efa nibata amboara roa tamin’ny lalao niadiana ny tompondakan’ny firenena Africain ny taona 1968 sy 1974.Nisaraka 1-1 tamin’i Tanzanie sy Bénin kosa izy nandritra ireo lalao hiadiana tompondaka maneran-tany 2022 ny farany notanterahiny ny 2 septambra sy 6 septambra. Laharana fahateo ao amin’ny vondrona J amina isa roa nefa izy ireo. Misy lalao roa hifanandrenany amin’i Madagasikara kosa amin’ny 6 sy 10 oktobra izao.

Laisser un commentaire